Ezekiel 43:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny fanorenany dia efatra amby folo hakiho ny lavany, efatra amby folo hakiho koa ny sakany, amin’ny lafiny efatra; ary ny sisiny manodidina dia antsasaky ny hakiho; ny haavon’ny fanorenana dia iray hakiho manodidina, ary ny zanatohatra aminy dia manatrika ny atsinanana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary 14 hakiho ny koronosy amin’ny lafiny efatra, 14 hakiho ny halavany, ary 14 hakiho ny sakany; antsasaky ny hakiho, ny molony manodidina; misy lakan-drano iray hakiho manodidina azy; mitodika miantsinanana ny ambaratongany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Efamira ihany koa ny marin-tampona ambony ka fito metatra avy ny lafiny tsirairay. Ny morony manodidina dia niavo 25 santimetatra; ary ny velaran’ny tatatra manodidina dia dimampolo santimetatra. Ny tohatohatra fiakarana eo dia manatrika ny atsinanana.
Malagasy Bible 1865
Ary ny rindriny dia efatra ambin'ny folo hakiho ny lavany, sy efatra ambin'ny folo hakiho koa ny sakany, amin'ny lafiny efatra; ary ny koronosiny manodidina dia antsasaky ny hakiho; ary ny fara-vodiny dia iray hakiho manodidina; ary ny ambaratongany dia manatrika ny atsinanana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny fanorenany dia efatra amby folo hakiho ny lavany, efatra amby folo hakiho koa ny sakany, amin’ny lafiny efatra; ary ny sisiny manodidina dia antsasaky ny hakiho; ny haavon’ny fanorenana dia iray hakiho manodidina, ary ny zanatohatra aminy dia manatrika ny atsinanana.
malagasy