Ezekiel 43:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny levita mpisorona, taranak’i Zadoka, izay manatona Ahy hanao fanompoana ho Ahy, dia homenao vantotra ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tolory vantotr’ombalahy iray hatao sorona noho ny ota, ny levita mpisorona izay avy amin’ny taranak’i Sadôka, sy manatona Ahy, - teny marin’i Iaveh Tompo, - hanompo Ahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Homenao ombilahy iray ny Levita mpisorona, taranak’i Tsadôka, izay hany mahazo manompo Ahy; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany. Ho sorona fanalana ny ota io ombilahy io.
Malagasy Bible 1865
Ny Levita mpisorona, taranak'i zadoka, izay manatona Ahy hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy, dia homenao vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota, hoy Jehovah Tompo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny levita* mpisorona, taranak’i Zadoka, izay manatona Ahy hanao fanompoana ho Ahy, dia homenao vantotra ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
malagasy
Ny Levita mpisorona, taranak'i zadoka, izay manatona Ahy hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy, dia homenao vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota, hoy Jehovah Tompo.