Ezekiel 43:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hanalanao ny rany ka hatentinao amin’ny tandrony efatra sy amin’ny zorony efatra amin’ny fanorenany ary amin’ny haingony manodidina. Izany no hataonao hanadiovana azy sy hanaovana fanavotana ho azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hangalanao ny rany, dia atenteno ny tandrony efatra amin’ny ôtely, ny zorony efatra amin’ny koronosiny, ary ny molony manodidina, hanaovanao fanonerana amam-panavotana ny ôtely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hangalanao ny rany ka hatentinao amin’ny tandroka efatry ny alitara sy amin’ny zorony efatry ny marin-tampona ambony ary amin’ny morony manodidina. Toy izany no hanadiovanao ny alitara sy hanokananao azy.
Malagasy Bible 1865
Dia hangalanao ny ràny ka hatentinao amin'ny tandrony efatra sy amin'ny zorony efatra amin'ny rindriny ary amin'ny koronosiny manodidina; izany no hanadiovanao azy sy hanaovanao fanavotana ho azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hanalanao ny rany ka hatentinao amin’ny tandrony efatra sy amin’ny zorony efatra amin’ny fanorenany ary amin’ny haingony manodidina. Izany no hataonao hanadiovana azy sy hanaovana fanavotana ho azy.
malagasy
Dia hangalanao ny ràny ka hatentinao amin'ny tandrony efatra sy amin'ny zorony efatra amin'ny rindriny ary amin'ny koronosiny manodidina; izany no hanadiovanao azy sy hanaovanao fanavotana ho azy.[Ny dikan'ny teny Hebreo amin'ireo dia manafaka ota azy; Lev. viii. 15]