Ezekiel 43:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’ny andro faharoa no hanateranao osilahy tsy misy kilema hatao fanatitra noho ny ota, koa izany no hanadiovana ny alitara, tahaka ny nanadiovana azy tamin’ny vantotra ombilahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’ny andro faharoa, manatera vantotr’osilahy, tsy misy kilema, ho fanatitra noho ny ota; ary manaova fanonerana ho an’ny ôtely toy ny natao tamin’ny ombalahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny andro faharoa dia haka osilahy tsy misy kilema ianao ary hanolotra azy ho sorona fanalana ny ota ihany koa. Hataonao ny fanadiovana ny alitara tahaka izay efa nataonao tamin’ny ombilahy.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'ny andro faharoa no hanateranao osilahy tsy misy kilema hatao fanatitra noho ny ota; ary hodioviny ny alitara tahaka ny nanadiovany azy tamin'ny vantotr'ombilahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’ny andro faharoa no hanateranao osilahy tsy misy kilema hatao fanatitra noho ny ota, koa izany no hanadiovana ny alitara, tahaka ny nanadiovana azy tamin’ny vantotra ombilahy.
malagasy
Ary amin'ny andro faharoa no hanateranao osilahy tsy misy kilema hatao fanatitra noho ny ota; ary hodioviny ny alitara tahaka ny nanadiovany azy tamin'ny vantotr'ombilahy.[Ny dikan'ny teny Hebreo amin'ireo dia manafaka ota azy; Lev. viii. 15]