Ezekiel 43:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Haterinao eo anatrehan’NY TOMPO ireo, ary ny mpisorona dia handraraka sira eo aminy ary hanatitra azy ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ianao moa, hanatitra ireo, eo anatrehan’i Iaveh; ny mpisorona kosa handraraka sira aminy, sy hanolotra azy ho sorona dorana amin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Manoloana Ahy TOMPO no hitondranao ireo ka handrarahan’ny mpisorona sira eo amboniny ary hatolony ho sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary haterinao eo anatrehan'i Jehovah ireo, ary ny mpisorona handraraka sira eo aminy, dia hanatitra azy ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Haterinao eo anatrehan’NY TOMPO ireo, ary ny mpisorona dia handraraka sira eo aminy ary hanatitra azy ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO.
malagasy
Ary haterinao eo anatrehan'i Jehovah ireo, ary ny mpisorona handraraka sira eo aminy, dia hanatitra azy ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah.