Ezekiel 43:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tapitra izany andro izany dia hiantomboka amin’ny andro fahavalo ny hanoloran’ny mpisorona ny fanatitra doranareo manontolo eo amin’ny alitara sy ny fanati-pihavananareo, dia hankasitrahako ianareo, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa tapitra ny hafitoana, ny andro fahavalo sy ny manaraka dia hanoloran’ny mpisorona eo ambonin’ny ôtely ny sorona doranareo sy ny sorona fisaoranareo, ka hankasitrahiko ianareo, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tapitra ny herinandro ka mitehina ny andro fahavalo, dia hahazo manolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana eo amin’ny alitara ny mpisorona. Amin’izay dia ho sitrako ianareo; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tapitra izany andro izany, dia hiantomboka amin'ny andro fahavalo ny hanateran'ny mpisorona ny fanatitra doranareo ao amin'ny alitara sy ny fanati-pihavananareo; ary dia hankasitrahako ianareo, hoy Jehovah Tompo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tapitra izany andro izany dia hiantomboka amin’ny andro fahavalo ny hanoloran’ny mpisorona ny fanatitra doranareo manontolo eo amin’ny alitara sy ny fanati-pihavananareo, dia hankasitrahako ianareo, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
malagasy