Ezekiel 43:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, eto no hitoeran’ny sezafiandrianako sy hitoeran’ny faladiako, izay honenako mandrakizay eto amin’ny Zanak’Israely. Tsy holotoin’ny taranak’Israely, na izy na ny mpanjakany, amin’ny fijangajangany sy amin’ny fatin’ny mpanjakany ao amin’ny fasany intsony ny anarako masina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy izy tamiko: Ry zanak’olona! Eto no fitoeran’ny seza fiandrianako, fitoerana hametrahako ny faladian-tongotro, honenako eo amin’ny zanak’i Israely na izy na ny mpanjakany, tsy handoto intsony ny Anarako masina, amin’ny fahavetavetany, na ny fati-mpanjakany, na ny fitoerana avony,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ny Tompo tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, ity toerana ity no misy ny sezafiandrianako, eto no fametrahako ny tongotro. Eto no honenako mandrakizay eo anivon’ny Israelita. Na ny vahoakan’i Israely na ny mpanjakany dia tsy hanala baràka ny anarako masina intsony amin’ny fanompoan-tsampy sy amin’ny fandevenana ny fatin’ireo mpanjakany eto.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, eto no hitoeran'ny seza fiandrianako sy hitoeran'ny faladiako, izay honenako mandrakizay eto amin'ny zanak'Isiraely; ary tsy holotoin'ny taranak'Isiraely, na izy na ny mpanjakany, amin'ny fijangajangany sy amin'ny sampin 'ny mpanjakany ao amin'ny fitoerany avo intsony ny anarako masina,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona*, eto no hitoeran’ny sezafiandrianako sy hitoeran’ny faladiako, izay honenako mandrakizay eto amin’ny Zanak’Israely. Tsy holotoin’ny taranak’Israely, na izy na ny mpanjakany, amin’ny fijangajangany sy amin’ny fatin’ny mpanjakany ao amin’ny fasany intsony ny anarako masina.
malagasy
Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, eto no hitoeran'ny seza fiandrianako sy hitoeran'ny faladiako, izay honenako mandrakizay eto amin'ny zanak'Isiraely; ary tsy holotoin'ny taranak'Isiraely, na izy na ny mpanjakany, amin'ny fijangajangany sy amin'ny sampin'ny mpanjakany ao amin'ny fitoerany avo intsony ny anarako masina,[Heb. fatin']