Ezekiel 43:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Napetrany teo anilan’ny tokonam-baravarako ny tokonam-baravaran’ireny, ary nataony teo anilan’ny tolanako ny tolanan’ireny, ka rindrina ihany no teo anelanelako sy ireny; nolotoiny tamin’ny fahavetavetana nataony ny anarako masina; izany no nahalany ringana azy tamin’ny fahatezerako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mametraka ny tokonany eo anilan’ny tokonako, sy ny tolanany eo anilan’ny tolànako, hany ka rindrina sisa no nanelanelana ahy sy azy ireo, ka nandoto ny Anarako masina izy tamin’ny fahavetavetana nataony, ary naringako noho ny fahatezerako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Napetraky ny mpanjakany teo anilan’ny tokonana sy tolam-bavahadin’ny tempoliko ny tokonana sy tolam-bavahadin’ny lapany, hany ka rindrina iray sisa no nanelanelana ny tranony sy ny tranoko. Nanala baràka ny anarako tamin’ireo zavatra maharikoriko nataony izy, hany ka naringako tamim-pahatezerana.
Malagasy Bible 1865
tamin'ny nametrahany ny tokonam-baravaran'ireny teo anilan'ny tokonam-baravarako sy ny tolan'ireny teo anilan'ny tolako, rindrina ihany no teo anelanelako sy ireny, dia nolotoiny tamin'ny fahavetavetana nataony ny anarako masina; ka dia nahalany ringana azy tamin'ny fahatezerako Aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Napetrany teo anilan’ny tokonam-baravarako ny tokonam-baravaran’ireny, ary nataony teo anilan’ny tolanako ny tolanan’ireny, ka rindrina ihany no teo anelanelako sy ireny; nolotoiny tamin’ny fahavetavetana nataony ny anarako masina; izany no nahalany ringana azy tamin’ny fahatezerako.
malagasy