Ezekiel 44:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary na dia ny levita aza, izay nanalavitra Ahy tamin’ny nivilian’ny Israely, izay nivily niala tamiko ka nanaraka ny sampiny, dia hitondra ny helony izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao koa: Ireo levita nanalavitra Ahy, tamin’ny andro nivilian’i Israely, izay nivily nanalavitra Ahy, mba hanarahany ny sampiny vetaveta, dia hitondra ny helony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ary ireo Levita izay nanalavitra Ahy, ka niaraka tamin’ny Israelita hafa nivily niala tamiko mba hanompo ireo sampiny, dia hizaka ny vokatry ny heloka vitany.
Malagasy Bible 1865
Ary na dia ny Levita aza, izay nanalavitra Ahy tamin'ny nivilian'ny Isiraely, izay nivily niala tamiko ka nanaraka ny sampiny, dia hitondra ny helony izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary na dia ny levita* aza, izay nanalavitra Ahy tamin’ny nivilian’ny Israely, izay nivily niala tamiko ka nanaraka ny sampiny, dia hitondra ny helony izy.
malagasy
Ary na dia ny Levita aza, izay nanalavitra Ahy tamin'ny nivilian'ny Isiraely, izay nivily niala tamiko ka nanaraka ny sampiny, dia hitondra ny helony izy.