Ezekiel 44:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho mpanao fanompoana ao amin’ny fitoerako masina izy, ho mpiandraikitra ny amin’ny fiandrasana ny vavahadin’ny Trano sy ho mpanao fanompoana ao amin’ny Trano hisolo ny olona hamono ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra hafa izy ary hijoro eo anatrehany hanao fanompoana ho azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izy ireo, ao amin’ny fitoerako masina, dia ho mpanompo miandry ny varavaran’ny trano, sy manao fanompoana ao amin’ny trano; izay ireo no hamono ho an’ny vahoaka ny zavatra hatao sorona dorana, na sorona hafa, ary hijanona eo anatrehan’ny vahoaka hanompo azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hanao fanompoana ao amin’ny Toeramasina onenako izy ka hiambina ireo vavahadin’ny tempoly ary hanatanteraka asa tsotsotra isan-karazany ao an-tempoly. Hisolo ny olona izy hamono ireo biby hatao sorona dorana manontolo sy sorona hafa ka hijoro eo anoloan’ny vahoaka mba hanompo azy.
Malagasy Bible 1865
Ary ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerako masina izy, dia ho mpiadidy ny amin'ny fiandrasana ny vavahadin'ny tempoly sy ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny tempoly;152 hisolo ny olona hamono ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa izy ary hitoetra eo anatrehany hanao fanompoam-pivavahana ho azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho mpanao fanompoana ao amin’ny fitoerako masina izy, ho mpiandraikitra ny amin’ny fiandrasana ny vavahadin’ny Trano sy ho mpanao fanompoana ao amin’ny Trano hisolo ny olona hamono ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra hafa izy ary hijoro eo anatrehany hanao fanompoana ho azy.
malagasy
Ary ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerako masina izy, dia ho mpiadidy ny amin'ny fiandrasana ny vavahadin'ny tempoly sy ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny tempoly;152 hisolo ny olona hamono ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa izy ary hitoetra eo anatrehany hanao fanompoam-pivavahana ho azy.[Heb. trano]