Ezekiel 44:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy hanakaiky Ahy ho mpisoronako izy, na hanakaiky izay zavatra masina na inona na inona, dia izay zavatra masina indrindra; fa hitambesaran’ny fahamenarany sy ny fahavetavetana nataony izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy hanatona Ahy hanao ny raharahan’ny fisoronana izy ireo na hanakaiky ny zavatro masina rehetra, eo amin’ny fitoerana masina indrindra, fa hivesatra ny fahafaham-barakany aman-tsazin’ny fahavetavetana nataony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka tsy hahazo manatona Ahy hanao ny asan’ny mpisorona intsony ary tsy hahazo manakaiky ireo fanaka rehetra voatokana ho Ahy na manakaiky ny Toeramasina Indrindra. Hizaka ny vokatry ny asa mahamenatra sy maharikoriko nataony izy.
Malagasy Bible 1865
ary tsy hanatona Ahy ho mpisoroko izy, na hanakaiky izay zavatra masina na inona na inona, dia izay zavatra masina indrindra; fa hitambesaran'ny fahamenarany sy ny fahavetavetana nataony izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy hanakaiky Ahy ho mpisoronako izy, na hanakaiky izay zavatra masina na inona na inona, dia izay zavatra masina indrindra; fa hitambesaran’ny fahamenarany sy ny fahavetavetana nataony izy.
malagasy
ary tsy hanatona Ahy ho mpisoroko izy, na hanakaiky izay zavatra masina na inona na inona, dia izay zavatra masina indrindra; fa hitambesaran'ny fahamenarany sy ny fahavetavetana nataony izy.