Ezekiel 44:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny levita mpisorona, taranak’i Zadoka kosa, izay nitandrina ny anjara raharaha ny amin’ny fitoerako masina, tamin’ny nivilian’ny Zanak’Israely niala tamiko, dia izy no hanakaiky Ahy hanao fanompoana ho Ahy, ary izy no hijoro eo anatrehako hanatitra ny sabora sy ny ra ho Ahy, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ireo Levita mpisorona, taranak’i Sadôka kosa, izay nitandrina ny fandaharana momba ny fitoerako masina tamin’ny nivilian’ny zanak’i Israely nanalavitra Ahy, dia izay ireo no hanatona Ahy hanao ny fanompoana amiko, sy hitsangana eo anatrehako, hanatitra ny sabora sy ny ra, - teny marin’ny Tompo Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ireo Levita mpisorona, taranak’i Tsadôka, dia nitandrina kosa ny anjara raharahany momba ny Toeramasina onenako, na dia nivily niala tamiko aza ny Israelita. Noho izany, dia ireo ihany no hahazo manatona hanompo Ahy Tompo sy hanolotra amiko ny sabora sy ny ran’ny sorona; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
Malagasy Bible 1865
Fa ny Levita mpisorona, taranak'i zadoka kosa, izay nitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny fitoerako masina, tamin'ny nivilian'ny zanak'Isiraely niala tamiko, dia izy no hanatona Ahy hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy, ary izy no ho eo anatrehako hanatitra ho Ahy ny sabora sy ny rà, hoy Jehovah Tompo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny levita* mpisorona, taranak’i Zadoka kosa, izay nitandrina ny anjara raharaha ny amin’ny fitoerako masina, tamin’ny nivilian’ny Zanak’Israely niala tamiko, dia izy no hanakaiky Ahy hanao fanompoana ho Ahy, ary izy no hijoro eo anatrehako hanatitra ny sabora sy ny ra ho Ahy, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
malagasy
Fa ny Levita mpisorona, taranak'i zadoka kosa, izay nitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny fitoerako masina, tamin'ny nivilian'ny zanak'Isiraely niala tamiko, dia izy no hanatona Ahy hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy, ary izy no ho eo anatrehako hanatitra ho Ahy ny sabora sy ny rà, hoy Jehovah Tompo.