Ezekiel 44:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa mivoaka ho any amin’ny kianja ivelany hankany amin’ny olona izy dia hesoriny ilay fitafiana noentiny nanao fanompoana ka havelany ao amin’ny efitrano masina, ary hitafy fitafiana hafa izy fa tsy hanamasina ny olona amin’ireny fitafiany ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa mivoaka ho any amin’ny kianja ivelany kosa izy, ho eo amin’ny kianja ivelany manatona ny vahoaka, dia hoesoriny ny fitafiana nentiny nanao ny fanompoana ka havelany ao amin’ny efitranon’ny fitoerana masina; ary fitafiana hafa no hanaovany, fa tsy hanamasina ny vahoaka amin’ny fitafiany izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary rehefa hivoaka hankany amin’ny kianja ivelany izay misy ny sarambabem-bahoaka izy, dia hoesoriny ireo fanamiana nanaovany teo am-panatanterahana ny asany ka hapetrany ao amin’ny efitrano voatokana, ary hiakanjo fitafiana hafa izy; izany no tsy hampahitany loza ny vahoaka amin’ireny fanamiany ireny.
Malagasy Bible 1865
Ary raha mivoaka ho any amin'ny kianja ivelany hankany amin'ny olona izy, dia hesoriny ilay fitafiana nentiny nanao fanompoam-pivavahana, ka havelany ao amin'ny efi-trano masina, ary hitafy fitafiana hafa izy, fa tsy hanamasina ny olona amin'ireny fitafiany ireny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa mivoaka ho any amin’ny kianja ivelany hankany amin’ny olona izy dia hesoriny ilay fitafiana noentiny nanao fanompoana ka havelany ao amin’ny efitrano masina, ary hitafy fitafiana hafa izy fa tsy hanamasina ny olona amin’ireny fitafiany ireny.
malagasy