Ezekiel 44:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy mifanditra dia ireo no hitsangana hitsara ka araka ny fitsipiko no hitsarany azy; ary ny lalànako sy ny didiko dia hotandremany amin’ny fotoam-pivavahana rehetra voatendriko, ary ny Sabatako dia hohamasininy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
izy ireo no hipetraka hitsara, raha misy fifandirana; ka araka ny rariny navoakako no hitsarana. Hitandrina ny lalàna amam-pandaharako amin’ny fetiko rehetra sy hankamasina ny sabatako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izy no ho mpitsara amin’ny fifanolanana ary hamoaka didim-pitsarana araka ny lalànako. Hankalaza ny fetim-pivavahana araka ny fitsipika sy ny fepetra nataoko izy sady hanokana ny andro sabata ho Ahy.
Malagasy Bible 1865
Ary raha misy mifanditra, dia ireo no hitsangana hitsara, ka araka ny fitsipiko no hitsarany azy; ary ny lalàko sy ny didiko dia hotandremany amin'ny fotoam-pivavahana rehetra voatendriko, ary ny Sabatako dia hohamasininy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy mifanditra dia ireo no hitsangana hitsara ka araka ny fitsipiko no hitsarany azy; ary ny lalànako sy ny didiko dia hotandremany amin’ny fotoam-pivavahana rehetra voatendriko, ary ny Sabatako dia hohamasininy.
malagasy