Ezekiel 44:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary amin’ny andro hidirany ao amin’ny fitoerana masina, dia any amin’ny kianja anatiny, hanao fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, dia hanolotra ny fanatiny noho ny ota izy, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary amin’ny andro hidirany ao amin’ny fitoerana masina ao amin’ny kianja anatiny mba hanao ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, dia hanatitra ny sorony noho ny ota izy; - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’ny andro izay hiverenany ao an-kianja anatiny amin’ny Toeramasina, dia hanolotra sorona fanalana ny ota izy; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'ny andro hidirany ao amin'ny fitoerana masina, dia any amin'ny kianja anatiny, hanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, dia hanatitra ny fanatiny noho ny ota izy, hoy Jehovah Tompo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary amin’ny andro hidirany ao amin’ny fitoerana masina, dia any amin’ny kianja anatiny, hanao fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, dia hanolotra ny fanatiny noho ny ota izy, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
malagasy