Ezekiel 44:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny santatry ny voaloham-bokatra rehetra avy amin’ny zavatra rehetra sy ny fanomezana rehetra izay alaina amin’ny fanomezanareo dia ho an’ny mpisorona; ny santatry ny kobanareo voafetafeta dia homenareo ny mpisorona koa mba hampitoerana fitahiana ao an-tranonao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny santatry ny voaloham-bokatra rehetra isan-karazany, mbamin’ny fanatitra rehetra isan-karazany haterinareo, dia ho an’ny mpisorona; omeo ny mpisorona koa ny santatry ny fitotoam-barinareo, mba hitoeran’ny tso-drano ao amin’ny tranonareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Horaisin’ny mpisorona ny santatry ny voaloham-bokatra ary izay rehetra navahana ho Ahy tamin’ny harenan’ny Israelita. Homen’ny olona azy koa ny koba lafarinina tsara indrindra mba hitahiako ny ao an-tranony.
Malagasy Bible 1865
Ary ny santatry ny voaloham-bokatra rehetra avy amin'ny zavatra rehetra sy ny fanatitra rehetra izay alaina amin'ny zavatra atao fanatitra dia ho an'ny mpisorona; ary ny santatry ny kobanareo voafetafeta dia homenareo ny mpisorona koa, mba hampitoerana fitahiana ao an-tranonao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny santatry ny voaloham-bokatra rehetra avy amin’ny zavatra rehetra sy ny fanomezana rehetra izay alaina amin’ny fanomezanareo dia ho an’ny mpisorona; ny santatry ny kobanareo voafetafeta dia homenareo ny mpisorona koa mba hampitoerana fitahiana ao an-tranonao.
malagasy
Ary ny santatry ny voaloham-bokatra rehetra avy amin'ny zavatra rehetra sy ny fanatitra rehetra izay alaina amin'ny zavatra atao fanatitra dia ho an'ny mpisorona; ary ny santatry ny kobanareo voafetafeta dia homenareo ny mpisorona koa, mba hampitoerana fitahiana ao an-tranonao.Ny zavatra maty ho azy sy izay noviraviraim-biby, na vorona na biby dia samy tsy hohanin'ny mpisorona.