Ezekiel 44:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia noentiny nankany amin’ny vavahady avaratra ho eo anoloan’ny Trano koa aho, dia hitako fa indro, feno ny voninahitry NY TOMPO ny tranon’NY TOMPO ka niankarapoka tamin’ny tany aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony avy eo, nentiny mankamin’ny alo-baravarana avaratra aho, eo anoloan’ny trano; ka nahita ny voninahitr’i Iaveh nameno ny trano, dia niankarapoka nihohoka aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia nentin-dralehilahy niditra ny vavahady avaratra ho eo anoloan’ny tempoly aho. Hitako ny voninahitry ny TOMPO fa nameno ny trano; koa lavo nihohoka nitehi-tany aho.
Malagasy Bible 1865
Dia nentiny nankamin'ny vavahady avaratra ho eo anoloan'ny trano koa aho, dia hitako fa, indro, feno ny voninahitr'i Jehovah ny tranon? i Jehovah; ka dia nikarapoka nihohoka aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia noentiny nankany amin’ny vavahady avaratra ho eo anoloan’ny Trano koa aho, dia hitako fa indro, feno ny voninahitry NY TOMPO ny tranon’NY TOMPO ka niankarapoka tamin’ny tany aho.
malagasy
Dia nentiny nankamin'ny vavahady avaratra ho eo anoloan'ny trano koa aho, dia hitako fa, indro, feno ny voninahitr'i Jehovah ny tranon? i Jehovah; ka dia nikarapoka nihohoka aho.