Ezekiel 44:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy NY TOMPO tamiko: Ry zanak’olona, mandiniha tsara ka mijere amin’ny masonao, ary aoka hohenoin’ny sofinao izay rehetra lazaiko aminao ny amin’ny didy sy ny lalàna rehetra momba ny tranon’NY TOMPO ary diniho tsara ny fidirana amin’ny Trano sy ny fivoahana rehetra avy ao amin’ny fitoerana masina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Iaveh tamiko: Ry zanak’olona, mitandrema tsara, mijere amin’ny masonao, mihainoa amin’ny sofinao, izay rehetra holazaiko aminao ny amin’ny fandaharana rehetra momba ny tranon’i Iaveh sy momba ny lalàny rehetra. Tandremo tsara ny amin’izay tsy maintsy miditra ho ao an-tranon’i Iaveh, amin’ny fivoahana rehetra avy ao amin’ny fitoerana masina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ny TOMPO tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, mijere amin’ny masonao sy mihainoa amin’ny sofinao ary aoka ny fonao handinika izay rehetra lazaiko anao ny amin’ny lalàna sy fitsipika rehetra momba ny tranoko. Diniho manokana ny fitsipika momba ny vavahady rehetra fidirana amin’ny tempoly sy fivoahana avy ao amin’ny Toeramasina.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah tamiko: Ry zanak'olona, mandiniha tsara, ka mijere amin'ny masonao, ary aoka hohenoin'ny sofinao izay rehetra lazaiko aminao ny amin'ny didy sy ny lalàna rehetra amin'ny tranon'i Jehovah; ary diniho tsara ny fidirana amin'ny trano sy ny fivoahana rehetra avy ao amin'ny fitoerana masina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy NY TOMPO tamiko: Ry zanak’olona*, mandiniha tsara ka mijere amin’ny masonao, ary aoka hohenoin’ny sofinao izay rehetra lazaiko aminao ny amin’ny didy sy ny lalàna rehetra momba ny tranon’NY TOMPO ary diniho tsara ny fidirana amin’ny Trano sy ny fivoahana rehetra avy ao amin’ny fitoerana masina.
malagasy
Ary hoy Jehovah tamiko: Ry zanak'olona, mandiniha tsara, ka mijere amin'ny masonao, ary aoka hohenoin'ny sofinao izay rehetra lazaiko aminao ny amin'ny didy sy ny lalàna rehetra amin'ny tranon'i Jehovah; ary diniho tsara ny fidirana amin'ny trano sy ny fivoahana rehetra avy ao amin'ny fitoerana masina.