Ezekiel 44:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ianareo dia nitondra vahiny tsy mifora fo na nofo hitoetra ao amin’ny fitoerako masina mba handoto ny tranoko tamin’ny nanoloranareo ny haniko, dia ny sabora sy ny ra, ka nivadika ny fanekeko ireo ho fanampin’ny fahavetavetanareo rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia ny nitondranareo ny taranaky ny hafa firenena, tsy mifora fo na mifora nofo akory, ho eo amin’ny fitoerako masina, mba handoto ny tranoko, tamin’ny nanateranareo ny anjara haniko, na ny sabora na ny ra; ka dia nivadika ny fanekeko ireo, tamin’ny fahavetavetanareo rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’ny fotoana izay nanoloranareo ny anjara sakafoko, izany hoe ny sabora sy ny ra avy tamin’ny soronareo, dia nampidiranareo vahiny tsy miraiki-po amiko sady tsy voafora tao amin’ny Toeramasina onenako. Nanimbazimba ny tempoliko ireo; ary nivadihanareo kosa ny fanekempihavanako tamin’ny zavatra maharikoriko nataonareo.
Malagasy Bible 1865
dia ny nitondranareo vahiny tsy mifora fo na nofo hitoetra ao amin'ny fitoerako masina mba handoto ny tranoko tamin'ny nanateranareo ny haniko, dia ny sabora sy ny rà, ka dia nivadika ny fanekeko ireo ho fanampin'ny fahavetavetanareo rehetra;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ianareo dia nitondra vahiny tsy mifora fo na nofo hitoetra ao amin’ny fitoerako masina mba handoto ny tranoko tamin’ny nanoloranareo ny haniko, dia ny sabora sy ny ra, ka nivadika ny fanekeko ireo ho fanampin’ny fahavetavetanareo rehetra.
malagasy