Ezekiel 44:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy nitandrina ny anjara raharaha ny amin’ny fitoerako masina ianareo fa nanendry izay ho mpitandrina ny anjara raharaha ao amin’ny fitoerako masina hisolo anareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ianareo tsy nanefa ny fanompoana momba ireo zavatro masina; fa ireo hafa firenena no notendrenareo hanao ny fanompoana soa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy niraharaha ny fanompoana Ahy tao amin’ny Toeramasina onenako ianareo, fa nanendry ireo vahiny hanao azy hisolo anareo.
Malagasy Bible 1865
ary tsy nitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny fitoerako masina ianareo, fa efa nanendry izay ho mpitandrina ny anjara-raharaha ao amin'ny fitoerana masina hisolo anareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy nitandrina ny anjara raharaha ny amin’ny fitoerako masina ianareo fa nanendry izay ho mpitandrina ny anjara raharaha ao amin’ny fitoerako masina hisolo anareo.
malagasy
ary tsy nitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny fitoerako masina ianareo, fa efa nanendry izay ho mpitandrina ny anjara-raharaha ao amin'ny fitoerana masina hisolo anareo.