Ezekiel 45:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa zarainareo araka ny antsapaka ny tany ho lova dia hisy hatokanareo ho fanomezana ho an’NY TOMPO, dia anjara masina eo amin’ny tany; ny lavany dia dimy arivo sy roa alina ary ny sakany dia iray alina. Ho masina any amin’ny faritaniny rehetra manodidina izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa mizara ny tany amin’ny filokana ianareo, hanananareo azy, dia manokàna anjara masina amin’ny tany, mba ho fanatitra ho an’i Iaveh: 25.000 hakiho ny lavany, ary 25.000 ny sakany; ho masina avokoa izy, manerana ny habeny amin’ny manodidina rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Rehefa mizara ny tany ho an’ny isam-poko eo amin’ny Israelita ianareo, dia hisy ampahany havahanareo ho an’ny TOMPO: anjara voatokana ho Azy amin’ny tany izany ka hisy 12 km sy sasany ny lavany ary 10 km ny sakany; voatokana manontolo ho an’ny Tompo izany faritany izany.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa zarainareo araka ny filokana ny tany mba ho lova, dia hisy hatokanareo ho fanatitra ho an'i Jehovah, dia anjara masina amin'ny tany; ny lavany dia indimy arivo sy roa alin'ny volotara, ary ny sakany iray alina. Ho masina any amin'ny fari-taniny rehetra manodidina izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa zarainareo araka ny antsapaka ny tany ho lova dia hisy hatokanareo ho fanomezana ho an’NY TOMPO, dia anjara masina eo amin’ny tany; ny lavany dia dimy arivo sy roa alina ary ny sakany dia iray alina. Ho masina any amin’ny faritaniny rehetra manodidina izany.
malagasy
[Ny amin'ny tany homena ho an'ny tempoly sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny mpanjaka, ary ny amin'ny zavatra haloa ho an'ny mpanjaka hanaovany fanatitra] Ary rehefa zarainareo araka ny filokana ny tany mba ho lova, dia hisy hatokanareo ho fanatitra ho an'i Jehovah, dia anjara masina amin'ny tany; ny lavany dia indimy arivo sy roa alin'ny volotara, ary ny sakany iray alina. Ho masina any amin'ny fari-taniny rehetra manodidina izany.