Ezekiel 45:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hitovy habe ny efaha sy ny bata, ary ny bata dia hahalany ny ampahafolon’ny homera, ary ny efaha koa dia ampahafolon’ny homera. Ny homera no handrefesana azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hitovy fatra ny efah sy ny bata, ka ny efah dia ho ampahafolon’ny homera, ary ny bata ho ampahafolon’ny homera; ny homera no hangalana fatra azy. Ho roapolo gerah ny sikla.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny efà ho an’ny voa madinika ary ny bata ho an’ny ranon-javatra, hitovy fatra ireo famarana roa ireo ka samy hahalany ampahafolon’ny hômera avy, fa ny hômera no ho fatra fototra.
Malagasy Bible 1865
Hitovy fatra ny efaha sy ny bata, ary ny bata hahalany ny ampahafolon'ny homera, ary ny efaha koa dia ampahafolon'ny homera: ny homera no mariky ny fatrany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hitovy habe ny efaha sy ny bata, ary ny bata dia hahalany ny ampahafolon’ny homera, ary ny efaha koa dia ampahafolon’ny homera. Ny homera no handrefesana azy.
malagasy
Hitovy fatra ny efaha sy ny bata, ary ny bata hahalany ny ampahafolon'ny homera, ary ny efaha koa dia ampahafolon'ny homera: ny homera no mariky ny fatrany.