Ezekiel 45:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ondry iray amin’ny roanjato amin’ny tanin’ny Israely izay azon-drano no haloanareo hatao fanatitra hohanina sy fanatitra dorana manontolo ary fanati-pihavanana, mba hanaovana fanavotana ho an’ny vahoaka, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ondry iray, avy ao amin’ny vala, isan-droan-jato eny amin’ny tany be vilona, eo amin’i Israely no hatao fanatitra, sorona dorana, sorona fisaorana, hanaovana fifonana ho azy ireo, - teny marin’ny Tompo Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary farany momba ny biby fiompy eny amin’ny kijànan’i Israely: iray isaky ny ondry na osy roanjato no havahanareo. Ka izay navahanareo dia hatolotrareo ho fanatitra vokatry ny tany na ho sorona dorana manontolo na ho sorom-pihavanana mba hahazoanareo famelan-keloka. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
Malagasy Bible 1865
Ary ondry iray isan-droanjato amin'ny tanin'ny Isiraely izay azon-drano no haloanareo hatao fanatitra hohanina sy fanatitra dorana ary fanati-pihavanana, mba hanaovana fanavotana ho an'ny vahoaka, hoy Jehovah Tompo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ondry iray amin’ny roanjato amin’ny tanin’ny Israely izay azon-drano no haloanareo hatao fanatitra hohanina sy fanatitra dorana manontolo ary fanati-pihavanana, mba hanaovana fanavotana ho an’ny vahoaka, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
malagasy