Ezekiel 45:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny mpanjaka kosa no hiantoka ny fanatitra dorana manontolo, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ny fanatitra aidina amin’ny andro firavoravoana sy ny voaloham-bolana ary ny Sabata, dia amin’ny fotoam-pivavahana rehetra tandreman’ny taranak’Israely; eny, izy no hiantoka ny fanatitra ho fanadiovana, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ny fanatitra dorana manontolo ary ny fanati-pihavanana, mba hanaovana fanavotana ho an’ny taranak’Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ny mpanapaka kosa no hiantoka ny sorona dorana, ny fanatitra, ary ny fanatitra araraka, amin’ny fety sy ny voaloham-bolana aman-tsabata, amin’ny fety lehibe rehetra ankalazain’ny taranak’i Israely; izy no hamonona ny ilaina hatao sorona noho ny ota, na fanatitra, na sorona dorana, na sorona fisaorana, hanaovana fifonana ho an’ny taranak’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Io printsy filohan’i Israely io kosa no hiantoka ny sorona dorana manontolo ary ny fanatitra lafarinina sy divay mandritra ny fety, indrindra fa amin’ny voaloham-bolana sy ny andro sabata ary ny fotoana hafa rehetra fivorian’ny vahoakan’i Israely. Eny, ny printsy filoha no hiantoka ny sorona fanalana ny ota sy ny fanatitra vokatry ny tany ary ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana mba hahazoana famelan-keloka ho an’ny vahoakan’i Israely.»
Malagasy Bible 1865
Fa ny mpanjaka kosa no hiantoka ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny fanatitra aidina amin'ny andro firavoravoana sy ny voaloham-bolana ary ny Sabata, dia amin'ny fotoam-pivavahana rehetra tandreman'ny taranak'Isiraeb; eny, izy no hiantota ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra dorana ary ny fanati-Pihavanana, mba hanaovana fanavotana ho an'ny taranak'Isiraeb.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny mpanjaka kosa no hiantoka ny fanatitra dorana manontolo, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ny fanatitra aidina amin’ny andro firavoravoana sy ny voaloham-bolana ary ny Sabata, dia amin’ny fotoam-pivavahana rehetra tandreman’ny taranak’Israely; eny, izy no hiantoka ny fanatitra ho fanadiovana, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ny fanatitra dorana manontolo ary ny fanati-pihavanana, mba hanaovana fanavotana ho an’ny taranak’Israely.
malagasy