Ezekiel 45:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hanalan’ny mpisorona ny ran’ny fanatitra ho fanadiovana ka hatentiny amin’ny tolanan’ny Trano sy amin’ny zorony efatra amin’ny lafin’ny alitara ary amin’ny tolanan’ny vavahadin’ny kianja anatiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hangalan’ny mpisorona ny ran’ny sorona noho ny ota, dia hatentina amin’ny tolàn’ny trano sy amin’ny zorony efatra amin’ny rindrin’ny ôtely ary amin’ny tolàn’ny alo-baravaran’ny kianja anatiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hangalan’ny mpisorona ny ran’ilay biby natao sorona ka hatentiny amin’ireo tolam-bavahadin’ny tempoly sy amin’ireo zoro efatry ny marin-tampon’ny alitara ary amin’ireo tolam-bavahadin’ny kianja anatiny.
Malagasy Bible 1865
Ary hangalan'ny mpisorona ny ran'ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny amin'ny tolan'ny trano sy amin'ny zoro efatra amin'ny rindrin'ny alitara ary amin'ny tolan'ny vavahadin'ny kianja anatiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hanalan’ny mpisorona ny ran’ny fanatitra ho fanadiovana ka hatentiny amin’ny tolanan’ny Trano sy amin’ny zorony efatra amin’ny lafin’ny alitara ary amin’ny tolanan’ny vavahadin’ny kianja anatiny.
malagasy
Ary hangalan'ny mpisorona ny ran'ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny amin'ny tolan'ny trano sy amin'ny zoro efatra amin'ny rindrin'ny alitara ary amin'ny tolan'ny vavahadin'ny kianja anatiny.