Ezekiel 45:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Io dia hanalana efamira ho an’ny fitoerana masina, dimanjato ny lavany ary dimanjato koa ny sakany; ary ho dimampolo hakiho ny tany malalaka manodidina azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny sasany hanaovana ny fitoerana masina, 500 hakiho ny lavany, 500 ny sakany, dia efa-joro sokera amin’ny manodidina rehetra, ary 50 hakiho hatao faritany manodidina azy akaiky.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Io faritany io no hamaritana vakim-paritra iray izay mirefy 12 km sy sasany ny lavany ary 5 km ny sakany. Ao anatin’io vakim-paritra io dia hisy tany ho an’ny tempoly: tany iray efamira ka samy 250 metatra avy ny lafiny tsirairay sady voahodidina toera-malalaka 25 metatra ny velarany, ka ao no hisy ny tempoly izay toerana manan-kasina fatratra.
Malagasy Bible 1865
Ary io dia hanalana efa-joro sotera ho tany masina, dimam-jato ny lavany, ary dimanjato koa ny sakany; ary ho dimam-polo hakiho ny tany manodidina azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Io dia hanalana efamira ho an’ny fitoerana masina, dimanjato ny lavany ary dimanjato koa ny sakany; ary ho dimampolo hakiho* ny tany malalaka manodidina azy.
malagasy
Ary io dia hanalana efa-joro sotera ho tany masina, dimam-jato ny lavany, ary dimanjato koa ny sakany; ary ho dimam-polo hakiho ny tany manodidina azy.