Ezekiel 45:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’ny andro firavoravoana hafitoana dia hanolotra fanatitra dorana manontolo isanandro mandritra ny hafitoana ho an’NY TOMPO izy, dia vantotra ombilahy fito sy ondrilahy fito tsy misy kilema, ary osilahy iray isanandro hataony fanatitra noho ny ota.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary mandritra ny hafitoana amin’izany fety izany dia hanatitra sorona dorana ho an’i Iaveh izy, dia ombalahy fito, ondralahy tsy misy kilema, fito, isan’andro avy, amin’ny andro fito, ary osilahy iray isan’andro hatao sorona noho ny ota.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ankoatra izany, isan’andro mandritra ny fito andro, dia hanolotra ombilahy fito sy ondrilahy fito tsy misy kilema hatao sorona dorana manontolo amiko TOMPO izy ary koa hanolotra osilahy iray isan’andro hatao sorona fanalana ny ota.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'ny andro firavoravoana hafitoana dia hanatitra fanatitra dorana isan'andro mandritra ny hafitoana ho an'i Jehovah izy, dia vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito tsy misy kilema, ary osilahy iray isan'andro hataony fanatitra noho ny ota.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’ny andro firavoravoana hafitoana dia hanolotra fanatitra dorana manontolo isanandro mandritra ny hafitoana ho an’NY TOMPO izy, dia vantotra ombilahy fito sy ondrilahy fito tsy misy kilema, ary osilahy iray isanandro hataony fanatitra noho ny ota.
malagasy