Ezekiel 45:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’ny andro fahadimy amby folo amin’ny volana fahafito, amin’ny andro firavoravoana, dia hanolotra tahaka izany koa hafitoana izy, na ny fanatitra noho ny ota na ny fanatitra dorana manontolo na ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, na ny diloilo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’ny volana fahafito, andro faha-15n’ny volana, mandritra ny fety dia haterina mandritra ny hafitoana, ireo sorona noho ny ota sy ireo sorona dorana, ary ireo fanatitra mbamin’io diloilo io ihany koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ary ny amin’ilay fety, izay manomboka rehefa andro faha-15 amin’ny volana fahafito, dia tahaka ny amin’ny fetin’ny Paska ihany no hataon’ny printsy filoha, isan’andro mandritra ny fito andro: na ny sorona fanalana ny ota izany na ny sorona dorana manontolo na ny fanatitra varimbazaha sy diloilo.»
Malagasy Bible 1865
Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito, amin'ny andro firavoravoana, dia hanatitra tahaka izany koa hafitoana izy, na ny fanatitra noho ny ota, na ny fanatitra dorana, na ny fanatitra hohanina, na ny diloilo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’ny andro fahadimy amby folo amin’ny volana fahafito, amin’ny andro firavoravoana, dia hanolotra tahaka izany koa hafitoana izy, na ny fanatitra noho ny ota na ny fanatitra dorana manontolo na ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, na ny diloilo.
malagasy