Ezekiel 45:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho faritra masina amin’ny tany izany ka ho an’ny mpisorona, mpanao fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, dia izay manakaiky hanao fanompoana ho an’NY TOMPO, ary ho faritra ho an’ny tranony sy ho tany masina hasiana ny fitoerana masina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho anjara masina amin’ny tany izany, ka ho an’ny mpisorona manao fanompoana momba ny fitoerana masina sy manatona hanompo an’i Iaveh: ho fitoerana misy ny tranon’izy ireo izany, ary ho fitoerana masina misy ny fitoerana masina koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho masina io vakim-paritra io eo amin’ny tany fa natokana ho an’ny mpisorona izay manatanteraka ny asa fanompoana ny TOMPO ao an-tempoly. Amin’izay tokoa dia hisy toerana ho an’ny tranon’ireo mpisorona sy toerana voatokana ho an’ny tempoly.
Malagasy Bible 1865
Ho anjara masina amin'ny tany izany ka ho an'ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, dia izay manatona hanao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah, ary ho fitoeran'ny tranony sy ho tany masina hasiana ny fitoerana masina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho faritra masina amin’ny tany izany ka ho an’ny mpisorona, mpanao fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, dia izay manakaiky hanao fanompoana ho an’NY TOMPO, ary ho faritra ho an’ny tranony sy ho tany masina hasiana ny fitoerana masina.
malagasy