Ezekiel 45:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpanjaka dia homenareo tany eo an-daniny roa amin’ny anjara masina voatokana sy amin’ny zaratany ho an’ny tanàna, dia ny mifanolotra amin’ny anjara masina voatokana sy ny mifanolotra amin’ny zaratany ho an’ny tanàna, hatreo amin’ny andrefana mikipaka miankandrefana, ary hatreo amin’ny atsinanana mikipaka miantsinanana; ny lavany dia mitovy amin’ny lavan’ny zaratany ho an’ny firenena iray, hatrany andrefana ka hatrany atsinanana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny ho an’ny mpifehy dia angalao eo an-daniny roa amin’izay voatokana ho anjara masina sy ny anjara fananan’ny tanàna, ny andrefana mikipaka miankandrefana, ny atsinanana mikipaka miantsinanana, ny lavany mifanerana amin’ny lavan’ny anjara anankiray, avy amin’ny sisiny andrefana, ka hatramin’ny sisiny atsinanana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny printsy filoha dia homena tany iray eo anelanelan’ny faritra voatokana ho an’ny Tompo sy ny toerana misy ny tanànan’ny Israelita. Izany tany izany dia hitohy miankandrefana hatrany amin’ny Ranomasina Mediteranea ary miantsinanana hatrany amin’ny sisin-tanin’i Israely any atsinanana. Hitovy halava amin’ny zaratanin’ny foko tsirairay izy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjaka dia homenareo tany eo andaniny roa amin'ny anjara masina voatokana sy amin'ny tany ho an'ny tanàna, dia ny mifanolotra amin'ny anjara masina voatokana sy ny mifanolotra amin'ny tany ho an'ny tanàna, hatreo amin'ny andrefana mikipaka miankandrefana, ary hatreo amin'ny atsinanana mikipaka miantsinanana; ary ny sakany, dia mifanolotra amin'ireo anjaran'ny firenena, na amin'ny andrefana na amin'ny atsinanana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpanjaka dia homenareo tany eo an-daniny roa amin’ny anjara masina voatokana sy amin’ny zaratany ho an’ny tanàna, dia ny mifanolotra amin’ny anjara masina voatokana sy ny mifanolotra amin’ny zaratany ho an’ny tanàna, hatreo amin’ny andrefana mikipaka miankandrefana, ary hatreo amin’ny atsinanana mikipaka miantsinanana; ny lavany dia mitovy amin’ny lavan’ny zaratany ho an’ny firenena iray, hatrany andrefana ka hatrany atsinanana.
malagasy
Ary ny mpanjaka dia homenareo tany eo andaniny roa amin'ny anjara masina voatokana sy amin'ny tany ho an'ny tanàna, dia ny mifanolotra amin'ny anjara masina voatokana sy ny mifanolotra amin'ny tany ho an'ny tanàna, hatreo amin'ny andrefana mikipaka miankandrefana, ary hatreo amin'ny atsinanana mikipaka miantsinanana; ary ny sakany, dia mifanolotra amin'ireo anjaran'ny firenena, na amin'ny andrefana na amin'ny atsinanana.[Heb. lavany]