Ezekiel 45:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Aoka izay, ry mpanjakan’ny Israely! Ajanòny ny halozana sy ny fampahoriana ary manaova fitsarana sy fahamarinana. Atsaharo ny fandroahanareo ny oloko, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Aoka izay, ry mpifehy eo amin’i Israely, mampihataha ny fampahoriana amam-pihinanam-bahoaka, manaova ny hitsiny sy ny rariny, esory tsy ho eo amin’ny vahoakako ny fihoràhanareo, - teny marin’ny Tompo Iaveh.-
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Tafahoatra loatra ny nataonareo, ry printsy filohan’i Israely. Koa ialao ny herisetra sy ny fitondrana jadona, manaova ny rariny sy ny hitsiny, atsaharo ny fandrobanareo ny vahoakako. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Aoka izay, ry mpanjakan'ny Isiraely! Ajanony ny halozana sy ny fampahoriana, ary manaova fitsarana sy fahamarinana; atsaharo ny fandroahanareo ny oloko, hoy Jehovah Tompo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Aoka izay, ry mpanjakan’ny Israely! Ajanòny ny halozana sy ny fampahoriana ary manaova fitsarana sy fahamarinana. Atsaharo ny fandroahanareo ny oloko, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
malagasy