Ezekiel 46:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ny vavahadin’ny kianja anatiny izay manatrika ny atsinanana dia harindrina mandritra ny henemana fanaovan-draharaha; fa amin’ny Sabata sy amin’ny voaloham-bolana kosa no hivoha izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Hikatona ny alo-baravarana amin’ny kianja anatiny mitodika miantsinanana, amin’ny andro enina azo iasana; fa hivoha kosa izy amin’ny andro sabata; hivoha koa izy amin’ny andro voalohan’ny volana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Ny vavahady atsinanana amin’ny kianja anatiny dia ho voahidy mandritra ny enina andro iasana, fa hivoha kosa izy amin’ny andro sabata sy amin’ny fetin’ny tsinambolana.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny vavahadin'ny kianja anatiny izay manatrika ny atsinanana dia harindrina mandritra ny henemana fanaovan-draharaha; fa amin'ny Sabata sy amin'ny andro voaloham-bolana kosa no hivoha izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ny vavahadin’ny kianja anatiny izay manatrika ny atsinanana dia harindrina mandritra ny henemana fanaovan-draharaha; fa amin’ny Sabata sy amin’ny voaloham-bolana kosa no hivoha izany.
malagasy
[Ny amin'ny mpanjaka sy ny fanatitra hataony sy ny hataon'ny vahoaka, sy ny zavatra homeny ho an'ny zanany sy ny mpanompony, ary ny amin'ny fahandroana ny fanatitra naterin'ny vahoaka] Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny vavahadin'ny kianja anatiny izay manatrika ny atsinanana dia harindrina mandritra ny henemana fanaovan-draharaha; fa amin'ny Sabata sy amin'ny andro voaloham-bolana kosa no hivoha izy.