Ezekiel 46:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’ny andro firavoravoana sy ny fotoan-dehibe dia iray efaha no ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry isam-bantotra ombilahy, ary iray efaha isaky ny ondrilahy, ary ny amin’ny zanak’ondry, dia araka izay tiany, ary ny diloilo dia eran’ny hina isan’efaha.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’ny fety amam-pety lehibe, ny fanatitra dia iray efah isan’ombalahy iray, sy iray efah isan’ondralahy iray, ary izay afoin’ny mpifehy ihany kosa momba ny zanak’ondry, miaraka amin’ny diloilo iray hina isaky ny iray efah.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Amin’ny fotoan-dehibe sy ny andro fety dia varimbazaha telopolo kilao no hatao fanatitra isaky ny sorona ombilahy iray na ondrilahy iray, ary varimbazaha araka izay heverina ho mety isaky ny zanak’ondry; dia hampiana diloilo enina litatra isaky ny varimbazaha telopolo kilao izany.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'ny andro firavoravoana sy ny fotoam-pivavahana dia iray efaha no ho fanatitra hohanina isam-bantotr'ombilahy iray, ary iray efaha isan-ondrilahy iray, ary ny amin'ny zanak'ondry, dia araka izay tiany, ary ny diloilo dia eran'ny hina isan-efaha.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’ny andro firavoravoana sy ny fotoan-dehibe dia iray efaha* no ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry isam-bantotra ombilahy, ary iray efaha isaky ny ondrilahy, ary ny amin’ny zanak’ondry, dia araka izay tiany, ary ny diloilo dia eran’ny hina* isan’efaha.
malagasy
Ary amin'ny andro firavoravoana sy ny fotoam-pivavahana dia iray efaha no ho fanatitra hohanina isam-bantotr'ombilahy iray, ary iray efaha isan-ondrilahy iray, ary ny amin'ny zanak'ondry, dia araka izay tiany, ary ny diloilo dia eran'ny hina isan-efaha.[Na: tratry ny ananany]