Ezekiel 46:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha ny mpanjaka no manolotra fanatitra dorana manontolo an-tsitrapo, na fanati-pihavanana ho fanatitra an-tsitrapo ho an’NY TOMPO, dia hovohana ny vavahady manatrika ny atsinanana mba hidirany, dia hanolotra ny fanatiny dorana manontolo sy ny fanati-pihavanany izy, tahaka izay ataony amin’ny Sabata; ary rehefa tafavoaka izy dia harindrina ny vavahady.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha hanatitra fanatitra an-tsitrapo ny mpifehy, na sorona dorana na sorona fisaorana izany, dia fanatitra an-tsitrapo ho an’i Iaveh, dia hamohana ny alo-baravarana mitodika miantsinanana izy. Dia hanatitra ny sorona dorany na ny sorona fisaorana izy, toy ny fanaony amin’ny andro sabata, dia hivoaka izy, dia harindrina ny vavahady, rehefa tafavoaka izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha tàhiny kosa ny printsy filoha no te hanao sorona an-tsitrapo amin’ny TOMPO, na sorona dorana manontolo io na sorom-pihavanana, dia tokony hovohana ho azy ny vavahady atsinanana. Hanolotra ireo sorona tahaka ny fanao amin’ny andro sabata izy; ary rehefa tafavoaka izy, dia hohidina ny vavahady.
Malagasy Bible 1865
Ary raha ny mpanjaka no manatitra fanatitra dorana na fanati-pihavanana ho fanatitra sitrapo ho an'i Jehovah, dia hovohana ho azy ny vavahady manatrika ny atsinanana, dia hateriny ny fanatitra dorany sy ny fanati-pihavanany, tahaka izay àtaony amin'ny Sabata; ary rehefa tafavoaka izy, dia harindrina ny vavahady.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha ny mpanjaka no manolotra fanatitra dorana manontolo an-tsitrapo, na fanati-pihavanana ho fanatitra an-tsitrapo ho an’NY TOMPO, dia hovohana ny vavahady manatrika ny atsinanana mba hidirany, dia hanolotra ny fanatiny dorana manontolo sy ny fanati-pihavanany izy, tahaka izay ataony amin’ny Sabata; ary rehefa tafavoaka izy dia harindrina ny vavahady.
malagasy