Ezekiel 46:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Zanak’ondry iray izay iray taona, tsy misy kilema, no hatolotrao isanandro ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO; isa-maraina no hanateranao azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hanatitra zanak’ondry iray, efa iray taona, tsy misy kilema ianao, ho sorona dorana isa-maraina ho an’i Iaveh; isa-maraina no hanateranao izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Isan’andro isan’andro dia zanak’ondry iray taona tsy misy kilema no hatao sorona dorana manontolo amin’ny TOMPO, ka isa-maraina no hanolorana azy.
Malagasy Bible 1865
Ary zanak'ondry anankiray iray taona tsy misy kilema no haterinao isan'andro ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah; isa-maraina no hanateranao azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Zanak’ondry iray izay iray taona, tsy misy kilema, no hatolotrao isanandro ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO; isa-maraina no hanateranao azy.
malagasy
Ary zanak'ondry anankiray iray taona tsy misy kilema no haterinao isan'andro ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah; isa-maraina no hanateranao azy.