Ezekiel 46:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hanolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry ho fanampiny isa-maraina ianao, ampahenin’ny efaha, sy diloilo ampahatelon’ny hina handemana ny koba tsara toto; fanatitra avy amin’ny zavamaniry ho an’NY TOMPO izany: lalàna tsy miova mandrakizay izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hanatitra koa isa-maraina miaraka amin’izay, fanatitra, dia ampahenin’ny efah, sy diloilo ampahatelon’ny hina, handemana ny lafarina tsara indrindra ho fanolorana ho an’i Iaveh: lalàna maharitra mandrakizay izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Isa-maraina koa no hanolorana amin’ny TOMPO koba lafarinina dimy kilao vontosana diloilo roa litatra; fanatitra vokatry ny tany atao amin’ny Tompo izany, ary lalàna raikitra hatrany hatrany.
Malagasy Bible 1865
Ary hanatitra fanatitra hohanina ho fanampiny isa-maraina ianao, dia ampahenin'ny efaha sy diloilo ampahatelon'ny hina handemana ny koba tsara toto; fanatitra hohanina ho an'i Jehovah izany: lalàna tsy miova mandrakizay izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hanolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry ho fanampiny isa-maraina ianao, ampahenin’ny efaha, sy diloilo ampahatelon’ny hina handemana ny koba tsara toto; fanatitra avy amin’ny zavamaniry ho an’NY TOMPO izany: lalàna tsy miova mandrakizay izany.
malagasy