Ezekiel 46:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Raha manome zavatra ho an’ny zanany iray ny mpanjaka dia ho lovan’ny zanany izany; eny, ho zaralovany izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Raha ny iray amin’ny zanany no toloran’ny mpifehy fanomezana, dia ho lovan’ny zanany izany fanomezana izany; ho zara lovany no hananany an’izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Raha manome ampahan’ny taniny ho an’ny anankiray amin’ny zanany lahy ny printsy filoha, dia ho lovan’io zanany lahy io sady ho lovan’ny taranany koa izany.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha manome zavatra ho an'ny anankiray amin'ny zanany ny mpanjaka, dia ho lovan'ny zanany izany; eny, ho zara-lovany izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Raha manome zavatra ho an’ny zanany iray ny mpanjaka dia ho lovan’ny zanany izany; eny, ho zaralovany izany.
malagasy
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha manome zavatra ho an'ny anankiray amin'ny zanany ny mpanjaka, dia ho lovan'ny zanany izany; eny, ho zara-lovany izany.