Ezekiel 46:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy haka amin’ny lovan’ny vahoaka hampiala azy amin’ny zarataniny izy; fa avy amin’ny fananany ihany no hanomezany lova ho an’ny zanany, mba tsy hielezan’ny oloko hiala amin’ny zarataniny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy haka ny lovan’ny olona amin’ny fandroahana azy an-keriny hiala amin’ny zara taniny ny mpifehy; fa ny taniny ihany no hanomezany lova ho anjarany, mba tsy ho voaroaka ny vahoakako samy hiala amin’ny taniny avy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy mahazo maka izay anjara lovan’ny vahoaka ny printsy filoha ka hanaisotra azy amin’ny zarataniny. Fa izay ho anjaran’ny zanany lahy dia halainy eo amin’ny taniny manokana, mba tsy hisy olona anisan’ny vahoakako ho voaroaka amin’ny zarataniny.»
Malagasy Bible 1865
Ary tsy haka amin'ny lovan'ny vahoaka hampiala azy amin'ny zara-taniny izy; fa homeny lova avy amin'ny fananany ihany ny zanany, mba tsy hielezan'ny oloko hiala amin'ny zara-taniny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy haka amin’ny lovan’ny vahoaka hampiala azy amin’ny zarataniny izy; fa avy amin’ny fananany ihany no hanomezany lova ho an’ny zanany, mba tsy hielezan’ny oloko hiala amin’ny zarataniny.
malagasy
Ary tsy haka amin'ny lovan'ny vahoaka hampiala azy amin'ny zara-taniny izy; fa homeny lova avy amin'ny fananany ihany ny zanany, mba tsy hielezan'ny oloko hiala amin'ny zara-taniny.