Ezekiel 46:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hiditra avy any ivelany amin’ny lalana mankany amin’ny lalantsaran’ny vavahady ny mpanjaka ka hijanona eo anilan’ny tolanam-bavahady. Ny mpisorona dia hanolotra ny fanatiny dorana manontolo sy ny fanati-pihavanany; hiankohoka eo amin’ny tokonam-bavahady izy dia hivoaka; tsy harindrina ny vavahady raha tsy efa hariva ny andro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mpanjaka hiditra avy any ivelany, ho any amin’ny efitrano fidirana ao amin’ny alo-baravarana, ka hijanona eo anilan’ny tolàn’ny alo-baravarana; ireo mpisorona kosa, hanatitra ny sorona dorany sy ny sorona fisaorany. Hiankohoka eo amin’ny tokonan’ny alo-baravarana izy, dia hivoaka; ary ny alo-baravarana tsy hakatona mandra-paharivan’ny andro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hiditra avy any an-kianja ivelany manko ny printsy filoha ka hamakivaky ny lalantsaran’ny vavahady. Dia hijoro eo an-tokonam-bavahady izy mandritra ny anoloran’ny mpisorona ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana nateriny. Dia hiankohoka eo an-tokonam-bavahady eo ny printsy vao handeha, ary tsy hohidina ny varavarana raha tsy efa hariva.
Malagasy Bible 1865
Dia hiditra avy any ivelany amin'ny lalana mankamin'ny lavarangan'ny vavahady ny mpanjaka ka hijanona eo anilan'ny tolam-bavahady, ary ny fanatitra dorany sy ny fanati-pihavanany dia haterin'ny mpisorona, ary ny mpanjaka hiankohoka eo amin'ny tokonam-bavahady, dia hivoaka izy; ary tsy hirindrina ny vavahady, raha tsy efa hariva ny andro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hiditra avy any ivelany amin’ny lalana mankany amin’ny lalantsaran’ny vavahady ny mpanjaka ka hijanona eo anilan’ny tolanam-bavahady. Ny mpisorona dia hanolotra ny fanatiny dorana manontolo sy ny fanati-pihavanany; hiankohoka eo amin’ny tokonam-bavahady izy dia hivoaka; tsy harindrina ny vavahady raha tsy efa hariva ny andro.
malagasy