Ezekiel 46:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy izy tamiko: Io no toerana fahandroan’ny mpisorona ny fanati-panonerana sy ny fanatitra noho ny ota sy hanendasany ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry mba tsy hitondrany azy mivoaka ho any amin’ny kianja ivelany hanamasina ny olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy izy tamiko: Eto no fandrahoan’ny mpisorona ny sorona natolotra noho ny fahadisoana sy noho ny ota, sy hanendasany ny fanatitra, mba tsy hitondrany azy ho any amin’ny kianja ivelany, hanamasina ny vahoaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
sady nilazany hoe: «Io no toerana fampangotrahan’ny mpisorona ny henan’ireo biby natao sorom -panonerana sy sorona fanalana ny ota, ary eo koa no fandrahoany ireo fanatitra vokatry ny tany. Amin’izay dia tsy hisy zava-masina hoentina any amin’ny kianja ivelany mba tsy hotandindomin-doza ny sarambabem-bahoaka.»
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izy tamiko: Io no fitoerana fahandroan'ny mpisorona ny fanati-panonerana sy ny fanatitra noho ny ota sy hanendasany ny fanatitra hohanina, mba tsy hitondrany azy mivoaka lò any amin'ny kianja ivelany hanamasina ny olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy izy tamiko: Io no toerana fahandroan’ny mpisorona ny fanati-panonerana sy ny fanatitra noho ny ota sy hanendasany ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry mba tsy hitondrany azy mivoaka ho any amin’ny kianja ivelany hanamasina ny olona.
malagasy