Ezekiel 46:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy rafi-bato teo anatiny manodidina azy, dia manodidina ireo efatra ireo, izay nisy fatana teo ambanin’izany rafi-bato manodidina izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Misy fefy manodidina azy efatra ary misy fatana fandrahoana natao teo am-pototr’ireo fefy manodidina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Samy voafefy rindrim-bato ny tokotany tsirairay avy; ary teo am-pototr’io rindrim-bato io dia nisy fatana maro naorina sady nifanohy manodidina.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy rafitra teo anatiny manodidina azy, dia manodidina ireo efatra ireo, izay nisy fahandroana ambanin'izany rafitra manodidina izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy rafi-bato teo anatiny manodidina azy, dia manodidina ireo efatra ireo, izay nisy fatana teo ambanin’izany rafi-bato manodidina izany.
malagasy
Ary nisy rafitra teo anatiny manodidina azy, dia manodidina ireo efatra ireo, izay nisy fahandroana ambanin'izany rafitra manodidina izany.Dia hoy izy tamiko: Ireto no tranon'ny mpahandro, izay fahandroan'ny mpanao fanompoam-pivavahana eto an-trano ny fanatitra halatsa-drà aterin'ny olona.