Ezekiel 46:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy Izy tamiko: Ireto no tranon’ny mpahandro. Ao ireo manao fanompoana ao amin’ny Trano no mahandro ny fanatitra alatsa-dra aterin’ny olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy izy tamiko: Ireto no trano fandrahoana handrahoan’ny mpanompon’ny trano ny hena avy amin’ny sorona nataon’ny vahoaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ralehilahy tamiko: «Ireto no toerana fandrahoana, ka eo ny mpandraharahan’ny tempoly no mampangotraka ny henan’ireo biby aterim-bahoaka hatao sorona.»
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izy tamiko: Ireto no tranon'ny mpahandro, izay fahandroan'ny mpanao fanompoam-pivavahana eto an-trano ny fanatitra halatsa-drà aterin'ny olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy Izy tamiko: Ireto no tranon’ny mpahandro. Ao ireo manao fanompoana ao amin’ny Trano no mahandro ny fanatitra alatsa-dra aterin’ny olona.
malagasy
Dia hoy izy tamiko: Ireto no tranon'ny mpahandro, izay fahandroan'ny mpanao fanompoam-pivavahana eto an-trano ny fanatitra halatsa-drà aterin'ny olona.