Ezekiel 46:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ho fanampin’ilay ondrilahy iray dia iray efaha, ary ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ho fanampin’ireo zanak’ondry dia araka izay tratry ny ananany, ary ny diloilo dia iray hina isan’efaha.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny hatao fanatitra, dia lafarina iray efah momba ny ondralahy: ny hatao fanolorana momba ny zanak’ondry, dia izay hafoiny, miaraka amin’ny diloilo iray hina, isaky ny iray efah.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ankoatra ireo dia hitondra fanatitra varimbazaha telopolo kilao isaky ny ondrilahy iray izy, ary varimbazaha araka izay heveriny ho mety isaky ny zanak’ondry; dia hampiany diloilo enina litatra isaky ny varimbazaha telopolo kilao izany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny fanatitra hohanina fanampin'ilay ondrilahy iray dia iray efaha, ary ny fanatitra hohanina fanampin'ireo zanak'ondry dia araka izay tiany, ary ny diloilo iray hina isan'efaha.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ho fanampin’ilay ondrilahy iray dia iray efaha*, ary ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ho fanampin’ireo zanak’ondry dia araka izay tratry ny ananany, ary ny diloilo dia iray hina* isan’efaha.
malagasy
Ary ny fanatitra hohanina fanampin'ilay ondrilahy iray dia iray efaha, ary ny fanatitra hohanina fanampin'ireo zanak'ondry dia araka izay tiany, ary ny diloilo iray hina isan'efaha.[Na: tratry ny ananany]