Ezekiel 46:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hanolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry izy, dia iray efaha isam-bantotra ombilahy sy iray efaha isaky ny ondrilahy koa; ary ny amin’ny zanak’ondry dia araka izay tiany, ary ny diloilo dia iray hina isan’efaha.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hanome fanatitra iray efah isan’ny ondralahy iray; ary ny amin’ny zanak’ondry dia izay azony afoy miaraka amin’ny diloilo iray hina isaky ny iray efah.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hampanarahiny fanatitra varimbazaha telopolo kilao isaky ny ombilahy iray na ondrilahy iray, ary varimbazaha araka izay heveriny ho mety isaky ny zanak’ondry; dia hampiany diloilo enina litatra isaky ny varimbazaha telopolo kilao izany.
Malagasy Bible 1865
Ary hanatitra fanatitra hohanina izy, dia iray efaha isam-bantotr'ombilahy sy iray efaha isan-ondrilahy koa; ary ny amin'ny zanak'ondry dia araka izay tiany, ary ny diloilo dia iray hina isan'efaha.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hanolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry izy, dia iray efaha isam-bantotra ombilahy sy iray efaha isaky ny ondrilahy koa; ary ny amin’ny zanak’ondry dia araka izay tiany, ary ny diloilo dia iray hina isan’efaha.
malagasy
Ary hanatitra fanatitra hohanina izy, dia iray efaha isam-bantotr'ombilahy sy iray efaha isan-ondrilahy koa; ary ny amin'ny zanak'ondry dia araka izay tiany, ary ny diloilo dia iray hina isan'efaha.[Na: tratry ny ananany]