Ezekiel 46:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha ny vahoaka kosa no miditra ho eo anatrehan’NY TOMPO amin’ny andro firavoravoana dia izay miditra amin’ny vavahady avaratra hiankohoka dia hivoaka amin’ny vavahady atsimo; ary izay miditra amin’ny vavahady atsimo dia hivoaka amin’ny vavahady avaratra: Tsy hiverina amin’ilay vavahady nidirany izy, fa amin’izay tandrifiny ihany no hivoahany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha miditra ho eo anatrehan’i Iaveh ny vahoakan’ny tany amin’ny fety lehibe, izay miditra amin’ny alo-baravarana avaratra, hiankohoka, dia hivoaka amin’ny varavarana atsimo; ary izay miditra amin’ny alo-baravarana atsimo, hivoaka amin’ny alo-baravarana avaratra; tsy hiverina amin’izay alo-baravarana nidirany izy, fa amin’izay tandrifiny no hivoahany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa rehefa ny vahoaka kosa no tonga hiankohoka amiko TOMPO amin’ny fotoan-dehibe, izay miditra amin’ny vavahady avaratra dia hivoaka amin’ny vavahady atsimo; ary izay miditra amin’ny vavahady atsimo dia hivoaka amin’ny vavahady avaratra. Tsy hisy olona hiverina amin’izay vavahady nidirany fa samy hivoaka amin’ny vavahady an-daniny.
Malagasy Bible 1865
Fa raha ny vahoaka kosa no miditra ho eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fotoam-pivavahana, dia izay miditra amin'ny vavahady avaratra hiankohoka dia hivoaka amin'ny vavahady atsimo kosa; ary izay miditra amin'ny vavahady atsimo dia hivoaka amin'ny vavahady avaratra kosa: tsy hiverina amin'ilay vavahady nidirany izy, fa amin'izay tandrifiny ihany no hivoahany
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha ny vahoaka kosa no miditra ho eo anatrehan’NY TOMPO amin’ny andro firavoravoana dia izay miditra amin’ny vavahady avaratra hiankohoka dia hivoaka amin’ny vavahady atsimo; ary izay miditra amin’ny vavahady atsimo dia hivoaka amin’ny vavahady avaratra: Tsy hiverina amin’ilay vavahady nidirany izy, fa amin’izay tandrifiny ihany no hivoahany.
malagasy