Ezekiel 47:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia noentiny niverina ho eo amin’ny varavaran’ny Trano aho. Ary indro, nisy rano niboiboika avy ao ambanin’ny tokonan’ny Trano, teo atsinanana; fa manatrika ny atsinanana ny Trano, ary ny rano dia nidina avy teo ambanin’ny lafiny havanan’ny Trano, teo atsimon’ny alitara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nentiny niverina ho eo amin’ny varavaran’ny trano indray aho. Ary indro nisy rano nivoaka avy ao ambanin’ny tokonan’ny trano, amin’ny lafiny atsinanana, fa nitodika niantsinanana ny anoloan’ny trano; ka nidina ny rano avy ao ambanin’ny lafitrano ankavanana tao atsimon’ny ôtely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nitondra ahy niverina ho eo am-pidirana amin’ny tempoly ralehilahy. Koa hitako fa nisy rano niboiboika avy tao ambanin’ny tokonana atsinanana, fa nitodika niantsinanana ny tempoly. Io rano io dia nidina teo ambanin’ny lafiny ankavanan’ny tempoly ka nandalo teo atsimon’ny alitara.
Malagasy Bible 1865
Dia nentiny niverina ho eo amin'ny varavaran'ny trano aho; ary, indro,nisy rano niboika avy eo atsinanana eo ambanin'ny tokonan'ny trano; fa manatrika ny atsinanana ny trano, ary ny rano nidina avy teo ambanin'ny lafiny ankavanan'ny trano teo atsimon'ny alitara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia noentiny niverina ho eo amin’ny varavaran’ny Trano aho. Ary indro, nisy rano niboiboika avy ao ambanin’ny tokonan’ny Trano, teo atsinanana; fa manatrika ny atsinanana ny Trano, ary ny rano dia nidina avy teo ambanin’ny lafiny havanan’ny Trano, teo atsimon’ny alitara.
malagasy
[Ny amin'ny onin'ny ranon'aina] Dia nentiny niverina ho eo amin'ny varavaran'ny trano aho; ary, indro,nisy rano niboika avy eo atsinanana eo ambanin'ny tokonan'ny trano; fa manatrika ny atsinanana ny trano, ary ny rano nidina avy teo ambanin'ny lafiny ankavanan'ny trano teo atsimon'ny alitara.