Ezekiel 47:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hisy mpanarato hijoro eny amorony. Hatrany Eny-Gedỳ ka hatrany Eny-Eglaìma no hamelarana harato; ary ny hazandranony ho maro karazana, tahaka ny hazandrano be dia be any amin’ny Ranomasina Lehibe.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hitsangana eo amoron’izany ranomasina izany ny mpaka hazandrano; hovelarana harato ny hatrany Engadi, ka hatrany Engalima; hisy hazandrano isan-karazany maro dia maro toy ny any amin’ny ranomasina lehibe.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary manomboka eo Haîna-Gedỳ ka hatrany Haîna-Heglaima, dia hisy mpanarato hanahy ny haratony eny amoron’io ranomasina io. Fa hahitana trondro marobe isan-karazany ao tahaka ny any amin’ny Ranomasina Mediteranea.
Malagasy Bible 1865
Ary hisy mpaka hazandrano hitsangana eny amorony hatrany En-jedy ka hatrany En-eglaima; ho famelarana harato izany; ary ny hazandranony ho maro karazana, tahaka ny hazandrano betsaka dia betsaka any amin'ny Ranomasina Lehibe.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hisy mpanarato hijoro eny amorony. Hatrany Eny-Gedỳ ka hatrany Eny-Eglaìma no hamelarana harato; ary ny hazandranony ho maro karazana, tahaka ny hazandrano be dia be any amin’ny Ranomasina Lehibe.
malagasy