Ezekiel 47:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary eny amoron’ny ony, eny an-daniny roa, no hanirian’ny hazo rehetra fihinam-boa. Tsy halazo ny raviny na ho lany ny voany fa hamoa voa vaovao isam-bolana izy satria mivoaka avy ao amin’ny fitoerana masina ny ranony. Ho fihinana ny voany ary ho fanafody ny raviny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Eo akaikin’ny ony, amin’ny morony an-daniny avy, hisy hazo mamoa isan-karazany haniry, ka ny raviny tsy mba halazo, ary ny voany tsy mba hitsahatra. Hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria hivoaka avy ao amin’ny fitoerana masina ny ranony; ny voany ho fihinana tsara, ary ny raviny ho fanasitranana tsara.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary eny amoron’ny ony an-daniny roa dia hanirian’ny hazo fihinam-boa isan-karazany. Tsy halazo na oviana na oviana ny raviny ary tsy hitsahatra ny voany, fa hamoa isam-bolana izy satria voatondrak’ilay rano mivoaka avy ao amin’ny tempoly. Ny voany dia hatao sakafo, ary ny raviny hatao fanafody.»
Malagasy Bible 1865
Ary eny amoron'ny ony, eny an-daniny roa, no anirian'ny hazo rehetra fihinam-boa; tsy halazo ny raviny, na ho lany ny voany; fa hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria mivoaka avy ao amin'ny fitoerana masina ny ranony; ary ho fihinana ny voany, ary ho fanafody ny raviny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary eny amoron’ny ony, eny an-daniny roa, no hanirian’ny hazo rehetra fihinam-boa. Tsy halazo ny raviny na ho lany ny voany fa hamoa voa vaovao isam-bolana izy satria mivoaka avy ao amin’ny fitoerana masina ny ranony. Ho fihinana ny voany ary ho fanafody ny raviny.
malagasy