Ezekiel 47:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Izao no faritry ny tany hozarainareo ho lova araka ny fokon’ny Israely roa amby folo; anjaran-droa no ho an’i Josefa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Lohasaha iray no ho faritry ny tany horaisinareo ho zarataninareo araka ny foko 12 amin’i Israely; anjaran-droa no ho an’i Josefa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Toy izao no faritry ny tany izay hifampizaràn’ny foko israelita roa ambin’ny folo, ka hahazoan’ny fokon’i Jôsefa anjaran-droa.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izao no faritry ny tany hozarainareo ho lova araka ny firenen'Isiraely roa ambin'ny folo; anjaran-droa no ho an'i Josefa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Izao no faritry ny tany hozarainareo ho lova araka ny fokon’ny Israely roa amby folo; anjaran-droa no ho an’i Josefa.
malagasy
[Ny ho faritry ny Tany Masina, sy ny hizarana azy, ary ny ho toetry ny Tanànan'Andriamanitra] Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izao no faritry ny tany hozarainareo ho lova araka ny firenen'Isiraely roa ambin'ny folo; anjaran-droa no ho an'i Josefa.