Ezekiel 47:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny lafiny atsinanana hatrany anelanelan’i Haorana, i Damaskosy, i Gileada ary ny tanin’ny Israely dia i Jordana; hatramin’ny sisintany ka hatreo amoron’ny ranomasina atsinanana no horefesinareo. Izany no lafiny atsinanana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny atsinanana: Hatramin’ny faritra mampisaraka an’i Haoràna sy i Damasa, dia eo anelanelan’i Galaada sy ny tanin’i Israely no alehan’ny faritra amin’ny tany dia i Jordany. Hatramin’ny sisin-tany avaratra, ka hatramin’ny ranomasina atsinanana no horefesinareo. Izany no lafiny atsinanana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny sisin-tany atsinanana kosa dia hiainga eo Hatsara-Henôna anelanelan’i Damasy sy i Haoràna, ka hanaraka ny lohasahan’i Jôrdàna eo anelanelan’ny faritanin’i Gilehada sy ny tanin’i Israely, ary hipaka any Tamara eo amoron’ny Ranomasina Maty. Izay no sisin-tany atsinanana.
Malagasy Bible 1865
Ary ny lafiny atsinanana hatrany anelanelan'i Haorana sy Damaskosy sy Gileada ary ny tanin'ny Isiraely dia Jordana; hatramin'ny fari-tany ka hatreo amoron'ny ranomasina atsinanana no horefesinareo. Izany no lafiny atsinanana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny lafiny atsinanana hatrany anelanelan’i Haorana, i Damaskosy, i Gileada ary ny tanin’ny Israely dia i Jordana; hatramin’ny sisintany ka hatreo amoron’ny ranomasina atsinanana no horefesinareo. Izany no lafiny atsinanana.
malagasy